• 19/04/2021 à 12:29

TONDRON’NY FITANTANANA IFOTONY (TFI na IGL), FITAOVANA HANAOVANA TOMBANA ANATINY HO AN’NY KAOMININA ETO MADAGASIKARA

Ny tanjon’ity fitaovana Tondron’ny Fahaiza-mitantana ifotony (IGL) ity dia ny hanamorana ny fahazoana ireo antontan’isa sy hevitra momba ireo
lohahevitra IGL mba handrefesana ny ezaka ataon’ny Kaominina hampihatra ny fitondrana tsara tantana ifotony amin’ny alàlan’ny fanomezana
isa azy.
Mifototra amin’ny andry 4 izay manambatra ireo fenitra 6 momba ny fitondrana tsara tantana ity fitaovam-pandrefesana ity. Ireto avy izany fenitra izany : ny fandraisana anjaran’ny olom-
pirenena, ny tsy fanavakavahana sy fitoviana, ny mangarahara sy ny fanaovana tatitra ho an’ny vahoaka, ny fanjakàna tan-dalàna, ny fahombiazana ary ny fijerena ireo seha-pampandrosoana rehetra.
Avy amin’ny atontan’isa sy hevitra voaangona no ahazoana ny maridrefin’ny fitondrana tsara tantana ny Kaominina. Tsoahina avy amin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho azy mba :

  • Hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tompon’andraikitra kaominaly momba ny fitondrana tsara tantana sy fitompoan-draharaha kaominaly ;
  • Hanohanana ny Kaominina hampihatra sy hanaja ireo didy aman-dalàna momba ny fanatanterahany ny asany ;
  • Hanatsarana ny fifampiresahana eo amin’ny ministera isan-tsokajiny, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ny vahoaka ahafahana miantoka ny fampandehanana ireo fotodrafitr’asa novatsiana ;
  • Hanatsarana ny naoty ny fitantanana ifotony ny

TENIN’ NY MINISITRA NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Anisan’ny laharampahamehan’ny politika ankapobeny ny fanjakana izay niainga

avy tao anatin’ny Initiative pour (‘Emergence de Madagascar (IEM) ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ka misongadina ao amin’izany ny fanamafisana ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalana ary koa ny fampiroboroboana ny fitantanana tsara sady mahomby eny anivon’ny Kaominina.

Velirano faha-12 nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fahavitantena sy fampandraisana andraikitra ireo vondrombahoaka itsinjarampahefana. Anisan’ny dingana lehibe hanatanterahina izany ny firosoan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara mba hisian’ny tena fampandrosoana miainga avy eny ifotony.

Mba hanana fahaiza-manao mahakasika ny fomba fitantanana eny anivon’ny Kaominina ka ahafahana mandrefy ny ezaka vita sy hitondrana fanatsarana ny fomba fiasa dia novolavolaintsika ny maridrefin’ny « Tondron’ny Fitantanana Ifotony (TFI) na Indice de Gouvernance Locale (IGL) teto Madagasikara.

Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, dia fifaliana noho izany ny mamoaka ity boky toro-lalana « Tombana anatiny Tondron’ny fitantanana Ifotony » ity na Guide d’auto-evaluation de l’Indice de Gouvernance Locale ho an’ny Kaominina. Izy io no ho fitaovana eny am-pelantanana hanaovana jery tombana (auto-evaluation) ny ezaka atao amin’ny fampiharana ny fitondrana tsara tantana.

Omena maimaimpoana ny Kaominina rehetra eto Madagasikara ity fitaovana ity :

  • Entina hanaovana tombana anatiny ny fitantanana izay tsy misy fanampiana avy any ivelany fa ny Kaominina ihany no manatanteraka izany;
  • Ho fitaovana mahomby ampelatanana ahafahana mijery ny fihatsaran’ny fitantanana aorian’ny ezaka fanatsarana izay atao;
  • Ahafahan’ny Kaominina manao fanazaran-tena amin’ireo izay asa tokony hatao manaraka ny fepetra takiana araka ny lalana,
  • Ary ahafahana miomana sahady amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana tondron’ny fitantanana Ifotony.

Ny fisian’ny fitaovana toy izao no ahatomombana ny fomba fiasa sy mitondra mankany amin’ny fahombiazan’ny Kaominina mba ahazoana vokatra tsara sy maharitra amin’ny fitantanana; ahafahana mandroso drafitra fanatsarana ahatongavana ho any

amin’ny tanjon’ireo VELIRANO 13.

Eto am-pamaranana, dia tiako ny maneho etoana ny fisaorana feno ny rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity boky torolalana ity, ary mampahery sy mamporisika mandrakariva ny Kaominina rahetra ny tenako mba ho tonga amin’ny tsara kokoa hatrany sy ahomby lalandava amin’ny fitantanana.

Afaka alainao ireo tondro amin’ny ireto lisitra manaraka :

 

Auteur : EGM - MID